Findramam-bola : Maro ny misedra olana

Nitatitra ny olana sedrainy mahakasika ny findramam-bola ny renim-pianakaviana vitsivitsy. Nilaza ny iray tamin’izy ireo fa « nindram-bola tany amin’ny sampandrahara ara-bola madinika na mikraofinansa. Herintaona ny fe-potoana nangatahako hanonerana ny vola. Efa nanangana trano aho ary andalam-pahavitana, saingy tsy ampy kely ka nahatonga ahy nindram-bola. Taty aoriana, niova hevitra ilay sampandraharaha ara-bola, fa tsy mety ilay herintaona satria efa nahazoazo taona aho. Efa nividianako fitaovana ny vola nindramiko. Tsy mazava amiko ny tian’ilay mpampindram-bola hatao, fa raha vao misy fahatarany ny fandoavana ny ampahan-trosa dia tonga any an-tranoko izy ireo, mandrahona fa haka entana mifandraika amin’ny volany ». Nilaza ny hafa fa tokony hisy didy « ordonnance » avy any amin’ny fitsarana ny fidirana any an-trano sy ny fakana entana ary azo atao ny manao fanohanana.
Nambaran’ilay renim-pianakaviana niharan’ny fandrahonana tamin’ilay orinasa mpampindram-bola, fa sahirana ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao. Koa, aleo hatao ny fifampiresahana. Hiakatra fitsarana amin’ny 12 febroary ho avy izao ity raharaha ity.

Sajo.

Partager sur: