Harena an-kibon’ ny tany: Niakatra ho 15 600 dolara/t ny vidin’ny nikela

Miovaova ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mahatonga izany ny famokarana ny bateria ho an’ny fiara eletronika.

Miankina amin’ny lalan’ny tolotra sy ny tinady ny vidin-javatra. Araka ny vaovao navoakan’ny gazety boky mahakasika ny toekarena iraisam-pirenena, Agence Ecofin, tafidina 14 800 $/t ny vidin’ny nikela ny 3 janoary ary nisondrotra tsikelikely ho 15 000 $/t ny 7 janoary ary tafakatra 15 600 $/t ny 13 janoary.
Akora fototra ampiasaina amin’ny fanamboarana bateria ho an’ny fiara elektronika ny nikela. Raha ny vinavinan’ny mpahay toekarena sy ny harena an-kibon’ny tany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena tao amin’ity gazety boky ity, heverina fa hitohy ity fiakaram-bidin’ny nikela ity ho an’ny taona 2025. Satria, nampidina 40% (2,25 tapitrisa taonina) ny famokarany nikela i Indonezia, firenena voa­lohany mpamokatra azy maneran-tany. Koa, raha mihena ny vokatra, hisondrotra ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. « Hahatsara ny orinasa Ambatovy izany fiakaram-bidy izany », hoy ihany ny Agence Ecofin.

Ho 4% ny anjaran’ny harena ambanin’ny tany

Eto Madagasikara, maminavina ny Banky foiben’i Madagasikara sy ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, fa hitombo 4% ny anjaran’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany amin’ity taona 2025 ity. Tafiditra ao anatin’izany ny famokarana nikela sy ny fasimainty. Eo koa, ny fanomezan-dalan’ny fanjakana hanokafana indray ny orinasa Base Toliara, hitrandraka « zircon », fasimainty, monazita, … Marihina fa mbola eo amin’ny dingan’ny fanomanana ity orinasa ity, mandritra ny 14 volana.
Efa nilaza ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, tamin’ny taon-dasa, fa hisy orinasa vaventy, faharoa, amin’ny harena an-kibon’ny tany koa ho avy eto Madagasikara amin’ity taona 2025 ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: