Fitantanana: Paikady ho an’ny fampiasam-bolam-panjakana

Notanterahina ny alakamisy teo, teny Anosy ny atrikasa ha­natsarana ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana. Tanjona ny hanatrarana 5% ny harinkarena faobe amin’ity taona ity. Noho izany, nofaritana nandritra ny fihaonana ireo lesoka teo aloha ka nandrosoana vahaolana mitondra mankany amin’ny fanovana ny fomba fiasa. Asa mahitsy, fahavononana, fanoloran-tena, fanarahana ny lalàna sy ny fenitra na­petraka, ireo no tanjona hanatrarana ny fampandrosoana mi­paka mivantana amin’ny va­hoaka. Nasongadin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, fa zava-dehibe ny fahaiza-mitantana anatin’ny mangaraharaha sy mahomby ny harem-bahoaka. Marihina fa isan’ny nandray anjara tamin’ny atrikasa natao ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Primatiora ary ny minisiteran’ny Toeka­rena sy ny fitantanam-bola. Hotanterahina ny alakamisy izao, ny fihaonana faharoa iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ireo mpandrindra ny tetikasa vatsian’ny mpamatsy vola vahiny.

Henintsoa H.

Partager sur: