Tratry ny tondra-drano matetika ny tanàna ao amin’ny fokontany Mahavatse sy Kiembe, distrika Toliara I, satria iva toerana. Mora sarona noho ny fiakaran’ny ranomasina sy ny orambe. Koa, hamafisina ny vahilava Kiembe efa misy, mirefy 1,8 km, mandalo ny seranan-tsambon’i Toliara (PK 2 +400) sady hitarina ho 5 km, mampifandray amin’ny lalam-pirenena RN7 (RN7 (PK 4 +927), any amin’ny seranam-piaramanidina Toliara. Endrika lalambe vita godirao manana sakany 7 m no atao, ilay antsoina hoe « voie rapide ». Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny delegasiona, notahirin’ny minisitry ny Asa Vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, ny faran’ny herinandro teo.
Hita fa efa vita hatrany amin’ny 70% ny asa. Manatanteraka azy ny orinasa sinoa CCOD (China State Construction Overseas Development), mandritra ny 16 volana. Maharitra 29 volana kosa ny fanaraha-maso ataon’ny orinasa Técnica Y Proyectos S.A (TYPSA).
Hamaha ny olan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana ao Toliara ity fotodrafitrasa goavana ity. Mitentina 40 tapitrisa euros ny asa, findramam-bola tamin’ny Banky eoropeana ho an’ny fampiasam-bola (BEI), araka ny fifanarahana tamin’ny jona 2016. Misy koa ny fandraisana anjaran’ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF).
Njaka A.