Adihevitra amin’izao ny amin’ny tetibola hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity. Ampy sa tsia? “Mila hazavain’ny governemanta sy ny Ceni ny tetibolan’ny fifidianana”, hoy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena.
“Mora ny miteny hoe atao avo telo na efatra heny ny tetibolan’ny fifidianana. Tsy any ny olana. Tokony hohazavain’ny governemanta ny fototry ny kajy amin’izay tetibola hahavitana ny fifidianana izay. Toy izany koa ny Ceni, tokony hanazava izay kajy fototra hoe hatao avo telo heny izany”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, i Namearison Robert, momba ny tetibolan’ny fifidianana. Ho hita amin’izany izay manana ny fahamarinana kokoa. Inona no tian-dry zareo hahatongavana amin’izay tetibola narosony avy? Tsy adala ny vahoaka, fa afa-mitsara izay tena tsy manam-piniavana amin’ny fanatanterahana fifidianana.
Mamaritra tetibola heveriny fa havitana ny fifidianana ny mpanatanteraka. Mahita ny Ceni fa tsy ampy izany. Amin’izao, entina eny amin’ny haino aman-jery ny resaka. Tsy afa-mifampiresaka intsony ve ny roa tonta no entina ankalamanjana izay adihevitra izay? Faharoa, inona no tiana hahatongavana amin’ny fandroritana izany imasom-bahoaka?
Mila mifampiresaka aloha ny roa tonta
Ny vahaolana? Mila mifampiresaka aloha ny roa tonta. Mety mahita ny governemanta amin’izay heveriny fa hahavita ny fifidianana. Koa mila mitady raha hita fa tsy ampy izay. Mety mieritreritra ny Ceni fa iandrasana ny any ivelany ve ny fifidianana filohan’ny Repoblika? Izay fomba fijery izay no tokony hampifandrindrana, ka mila miresaka… Vao mainka mampiroaroa saina ny adihevitra voizina eny amin’ny haino vaky jery. Inona tokoa ny tiana hahatongavana amin’ izany?
Mazava ny hevitry ny KMF/Cnoe: tsy mihemotra ny fifidianana. Raha ny lalàmpanorenana, antony roa ihany no azo anemorana fifidianana: ny fisian’ny kandidà maty mialoha ny hanaovana fifidianana fihodinana voalohany; faharoa, misy zavatra tsy azo anoharana hita sy voaporofon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Ny ankoatra an’izay, ny fandrosoana ny fifidianana ihany no vahaolana.
Nisy ny fanambaran-dry zareo, omaly: “Avoahy mialoha ny tetiandrom-pifidianana”. Taom-piasana roa no miara-tapitra amin’ny fiandohan’ny taona 2024: ny an’ny filohan’ny Repoblika, ny an’
ireo ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny kaominina. Mba hampitovy zo ireo mieritreritra hirotsa-kofidina, takina ny hamoahana ny tetiandrom-pifidianana mialoha hifantohan’ny olom-pirenena amin’izany.
R. Nd.