Miarina kely ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ny euro, amin’izao fiafaran’ny volana janoary 2025 izao. Misanda 4 834 Ar ny 1 euro, omaly 28 janoary, raha 4 900 Ar izany ny 30 desambra 2024. Nidina ho 4 800 Ar ny 1 euro ny fiandohan’ny taona (3 janoary 2025). Nitohy nidina ho 4 773 Ar tapa-bolana taty aoriana, ny 15 janoary 2025, fa tsy nihena firy ny dolara (4 692 Ar).
Etsy ankilany, tsy niova firy ny dolara tato anatin’ny iray volana, satria nisanda 4 670 Ar ny 1 dolara, omaly, raha 4 700 Ar ny 30 desambra 2024.
Marihina fa tena ampiasantsika ny vola vahiny dolara ny fividianana ny solika, manan-kery eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Eo koa ny fanafarana entana amin’ny firenen-kafa ivelan’i Eoropa. Ny fanafarana entana avy any amin’ny firenena mpikambana ao amin’ny Vondrona eoropeanina kosa no hampiasana ny euro. Mampiditra vola vahiny kosa ny fanondranana entana sy vokatra any ivelany, miampy ny vahiny tonga mivantana eto Madagasikara, toy ny mpizahatany, ohatra.
Njaka A.