Tsy afaka ampidinina ny saran-dalana, na nihena aza ny vidin-tsolika, araka ny filazan’ny mpitatitra. Antony maro no tsy maintsy jerena, fa tsy ny solika ihany no masonkaren’ny mpitatitra, sady tsy afaka ovaovaina isam-bolana ny saran-dalana. Toy ny vidin’ny kojakojan’ny fiara, ny saran’ny fikarakarana, sns, izay midangana daholo, ankehitriny.
Hatsangana ny sekolin’ny Jono any Faux Cap Androy sy Antsiranana. Manohana ny minisiteran’ny Jono amin’ny fametrahana ireo ny FAO. Tafiditra ao anatin’ny fampivoarana ny famokarana (Transformation agricole) nikaonandoha teny amin’ny CCI Ivato, ny herinandro lasa teo ity fiaraha-miasa ity, hampiroboroboana ny fihariana anaty rano.
Manan-tantara ho an’ireo firenena mpandray anjara ny « Sommet Africain de l’énergie », ho an’ny fanatratrana ny tanjona iraisana amin’ny fomba hanafainganana ny fisitrahana ny herinaratra. Tanjona ny fisitrahana angovo madio sy maharitra ary amin’ny vidiny takatry ny besinimaro.
Nandrasana tao anatin’ny 16 taona ny fampidinana ny vidin-tsolika. Na izany mbola tsy miantraika amin’ny vidin’entana eny an-tsena ny zava-misy. Miandrandra ny fidinan’ny saran-dalan’ny taxi-be sy ny fampakarana ny karama ny rehetra mba hahafahan’ny tokantrano miaina anaty fahatoniana.