Tahirin-javaboahary Betampona: Nahitana voninkazo Orkide ahina ho lany tamingana

Maherin’ny 1 000 ny karazana voninkazo orkide eto Madagasikara, izay tsy fahita raha tsy eto amintsika ny ankamaroany. Ahiana ho lany tamingana ihany koa anefa izy ireny.

Mahaliana ny mpikaroka hatrany ny karazan-javamaniry sy biby eto Madagasikara. Nisy fikarohana niavaka, niaraka nataon’ny mpahay siansa avy amin’ny Missouri Botanical Garden (MBG), ny Ivotoeram-pikarohana sy ny fampandrosoana (IRD) ary ny oniversite An­tananarivo ny taona 2023. Nahitan’izy ireo karazan-javamaniry voninkazo Vanilla Atsi­nananesis, karazana voninkazo orkide tsy misy ravina, tsy fahita raha tsy any amin’ny tapany atsinanan’i Madaga­sikara, tao amin’ny Tahirin-javaboahary manokana Be­tam­pona. distrika Toamasina II, faritra Atsinanana. Maha­variana ny endrik’ity voninkazo ity, izay mahatratra hatrany amin’ny 15 sm ny halavan’ny felam-boninkazony. Noso­ka­jian’ny Fiombonambe iraisam-pirenena misahana ny fikajiana ny natiora (UICN), ho anisan’ny zavamaniry ahina ho lany tamingana ny Vanilla Atsinananesis. Nampitsiry fa­nantenana anefa ny nahitana azy tany Betampona, na dia tsy mbola fantatra aza ny hoaviny.

Toerana faharoa any Ambodirina
Nidina ifotony indray ny mpikaroka ny janoary 2025 teo. Tonga tany amin’ny alan’ Ambodirina, faritra Analan­jirofo, akaiky ny kaominina Manompana any afovoany atsinanan’i Madagasikara. Toerana faharoa vinavinaina ahitana ny Vanilla Atsina­nanesis, manakaiky an’i Beta­m­pona. Nahita karazana orkide hafa ihany koa ny mpikaroka, manamarina ny hamaroan’ny harena karazan-javamananaina tsy fahita raha tsy eto amintsika.
Mihoatra ny 1 000 ny karazana voninkazo orkide eto Madagasikara, izay tsy fahita raha tsy eto an-toerana ny ankamaroany. Maniry any anaty ala mando na maina. Tena ahitana azy any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy, toy izao any amin’ny Tahirin-javaboahary any Betampona izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: