Mitondra anjara biriky amin’ny fikajiana ny tontolo iainana amin’ny seha-pihariana maitso ny orinasa Andao Company. Misehatra amin’ny fanodinana ny fako plastika ho lasa fitaovana azo ampiasaina, sady miteraka asa ho an’ny fiarahamonina, indrindra ny tanora izy ireo.
Anisan’ny vokatra azo avy amin’ny fanodinana ny fako plastika ataon’ity orinasa ity ny famadihana azy ho lasa dabilion-tsekoly, latabatra, kojakoja ao an-trano, an-dakozia, sy ny maro hafa. Efa maro ny sekoly miara-miasa aminy manjifa ny vokatra, izay tena tsara kalitao sy manaraka ny fenitra tokony hilaina.
Nitsidika ity orinasa ity ny minisitry ny Medd, Andonirina Max Fontaine, ny 21 janoary teo. Nampirisihiny ny haha maro anisa ny mpandraharaha eto an-toerana, hisehatra amin’ny fandraharahana maitso, hanabe voho ny Toekarena mihodina eto Madagasikara.
Bolongam-bato
Misy koa ny Malagasy efa misehatra amin’ny fanodinana ny fako plastika ho lasa vokatra hafa vaovao. Miainga amin’ny kely sy ny tsotra indrindra izy ireny, toy ny fanovana ny tavoahangy plastika ho lasa kifafa. Ao indray ireo manodina azy, hatsonika, afangaro fasika, atao anaty lasitra, ary havadika ho toy ny bolongam-bato mafy, miendrika rarivato (auto-bloquant) fanao eny an-tokotany.