Natokana ho an’ny Andro maneran-tany ho an’ny faritra mando ny 2 febroary. Omaly 3 febroary kosa ny fotoana nankalazana izany tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny farihin’i Mandroseza. Nitarika izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Max Andonirina Fontaine. Lohahevitra noraisina « Ny faritra mando dia fitsinjovana ny hoavy iombonana ».
Nasongadiny fa maro ny asa ara-tontolo iainana ataon’ny faritra mando, izay mitahiry ny rano sy mandrindra ny fahampian-drano isan-tokantrano, toy ny farihin’i Mandroseza. Izy no miantoka ny famatsiana rano fisotro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Tototry ny fasika sy ny atsanga anefa, ankehitriny, ity farihy ity vokatry ny asa fanapotehana sy ny sahandriaka ary ny fanariana loto ao anaty rano. Mihena, noho izany, ny haavon’ny rano sy ny tahirin-drano ao aminy, mitarika tsy fahampian-drano eto Antananarivo izany. Nentanin’ny minisitra Medd ny fanovam-pihetsiky ny tsirairay, ho saro-piaro amin’ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny faritra mando ho an’ny soa iombonana.
Nanotrona ny minisitra ihany koa ny ao amin’ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana (MEAH), Andrianamelasoa Lalaina, ary ny ben’ny Tanànan’Antananarivo (CUA), Ramanantsoa Harilala. Nandray anjara tamin’ny fanentanana ny tanora, ny fikambanana, ny mpiara-miombon’antoka, sns.
Njaka A.