Fanampiana ny mpanjifa! Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny orinasa, sampandraharaha ara-bola madinika, Smmec sy ny Madauto. Tanjona ny hanomezana tolotra sahaza arakaraka ny fahefa-mividin’ny tsirairay manerana ny Nosy. Nohamoraina ny fampindramam-bola ahafahana mandoa tsikelikely ny vidin’entana mifanandrify amin’ny filan’ny mpanjifa isan-tsokajiny. Natao ho an’ny rehetra ny tolotra, olon-tsotra, mpandraharaha na orinasa madinika sy salantsalany, na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra.
Anisan’ny voakasik’izany ny fividianana gropy mpanome herinaratra, mamaha ny olana manoloana ny fahatapahan’ny herinaratra. Eo koa ny kodiarandroa, moto Honda, manamora ny fivezivezena, indrindra any amin’ny toerana saro-dalana. Notsinjovina ny mpanjono, mampiasa ny motera (Hors-bord) mampandeha ny sambokely haingam-pandeha. Manampy ireo ny kojakoja fanolo samihafa amin’ireo entana voalaza ireo. Satria misy ny tetibidiny no mety tsy zakan’ny mpanjifa, ka ahahafana mandoa azy tsikelikely.
Afaka misitraka ny tolotra ny mpanjifa any amin’ireo masoivoho Smmec miisa 130 manerana ny faritra sy ahitana ny Madauto any amin’ny renivohi-paritany, toa an’Antananarivo, Antsiranana, Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, miampy ny any Nosy Be sy Taolagnaro.
Njaka A.