Hiovaova isam-bolana ny vidin-tsolika, hifanaraka amin’ny vidiny iraisam-pirenena. Mila mizatra izany ny mpanjifa, satria anisan’ny fepetra napetraky ny FMI io.
Niova nanomboka omaly 5 febroary ny vidin’ny solika eto Madagasikara. Mihatra, araka izany, ny fampifanarahana azy amin’ny fiovaovan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Niakatra ho 4 890 Ar ny litatry ny gazoala, raha 4 760 Ar/l teo aloha, izany hoe, nisy fitomboana 130 Ar/l. Nidina ho 5 500 Ar ny litatry ny lasantsy raha 5 700 Ar ny teo aloha, nihena 200 Ar/l. Ary niakatra ho 2 630 Ar ny litatry ny solika fandrehitra, raha 2 430 Ar/l teo aloha, nitombo 200 Ar/l.
Nanamarika ny Ofisim-pirenena misahana ny akoranafo eto Madagasikara (OMH), omaly, fa fampiharana ny rafitra fiovaovana manara-drafitra ny vidin-tsolika (Ajustement automatique des prix à la pompe) manaraka ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, izao atao izao. Efa natomboka izany tamin’ny 18 janoary 2025 teo. Nomarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Olivier Jean Baptiste, fa mila mizatra izany fiovaovana izany isika eto Madagasikara.
Fepetran’ny FMI
Tafiditra ao anatin’ny fanatontosana ny fiaraha-miasa amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) ny fampiharana ny tena vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Anisan’ny fepetra ahafahana misitraka ny Fampindramam-bola nohamoraina (Fec) sy ny Famatsiam-bola nohamoraina hiatrehana maharitra ny fiovan’ny toetr’andro (FRC) izany.
Anisan’ny fepetra napetraky ny FMI ihany koa ny hampihenana na hanafoanana ny fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana ho an’ny orinasa Jirama, izay hividianana solika manodina ny milina mamokatra herinaratra ny ampahany betsaka. Satria mampitombo hatrany ny trosan’ny Jirama sy ny fanjakana izany.
Njaka Andriantefiarinesy