Governoran’ny faritra Bongolava : “Tena mangalatra ny prefet”

“Sahirana isika hoe: iza no mpangalatra. Io ny mpangalatra efa hita, araka ny porofo. Io ny prefet fa tena mangalatra, ka mitokona ny vahoaka sy ny ben’ny Tanàna. Tsy afa-kiaraka intsony amin’ny mpangalatra izahay, ary tsy mandray baiko amin’ny mpangalatra toy izao”.

Io ny fanambarana nataon’ ny governoran’ny faritra Bongolava, ny jeneraly Ramiaramanana Joseph, ny faran’ny harinandro teo, ma­noloana ny hetsika fidinana an-dalambe ataon’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna 24 amin’ny 30 any an-toerana, mitaky ny fanalana ny prefet. Ny fakana vola mihoatra amin’ny tokony ho izy ataon’ireo delegem-panjakana izay mandray baiko avy amin’ny prefet any an-toerana no anton’ny fitakian’ireo ben’ny Tanàna.
Efa maro ny fitarainana, efa nentina tany amin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana sy tany amin’ny fiadidiana ny Repob­lika ny raharaha. Nisy ny fitoriana tany amin’ny zandary efa am-bolana maro izay. Miandry ny valin’izany ny vahoaka. Efa mitohoka amin’ny tenda ny porofo: hatao ahoana ny prefet mangalatra? Sady manala baraka no mamitaka ny filohan’ny Repoblika. “Tonga amin’izay ny andro itenenana. Raha izao no mandeha, voafitaka hatrany ny filohan’ny Repoblika. Mijoro amin’izany ny tenako, ary miaro ny vahoaka sy ny fananany aho hatramin’izao. Tsy rariny kosa izao, rehefa hararaotina ny vahoaka”, hoy izy.

Tsy manaiky intsony ireo ben’ny Tanàna

“Ny vahoaka no “patron”-nay. Mitaraina ireo olona ireo, akan’ny prefet volabe. Mijaly ny vahoakanay. Ny zavatra maharary an’ireo, maharary anay. Tsy hanaiky izahay hatramin’izao”, hoy koa ny avy amin’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna amin’ izao raharaha izao. Tsotra ny azy ireo: hampandroso ny kaominina no ipetrahan’ny ben’ny Tanàna. Koa na iza na iza vonona hiaraka aminy hampandroso ny kaominina, raisin-dry zareo an-tanan-droa. Tsy mety amin-dry zareo na iza na iza, raha olona hampijaly vahoaka. “Aza andrasana hirehitra be ny afo”, hoy ihany izy ireo miantso ny minisitera mpiahy.
Nilaza ny prefet voakasiky ny raharaha fa anjaran’ny lehibe sy ny mpitondra ny fanapahan-kevitra momba azy. Aiza àry izany ny fandraisana andraikitry ny tomponandraiki-panjakana mahefa? Efa am-bolana ny raharaha…

R. Nd.

Partager sur: