Mijoro ara-dalàna ao Antafiambotry, Nosy Faly, distrikan’Ambanja, faritra Diana, ny Vondron’ny tanora ifotony (VTI) mikatsaka fampihavanana sy fanorenana ifotony ho amin’ny fampandrosoana maharitra. Tanteraka izany taorian’ireo fankalazana telo sosona tany an-toerana tamin’ny 12,13,14 aogositra 2022: fidirana ny “mosquée” nohavaozina, sy fanaovana joro ara-pirazanana, ary fitsofandrano ny ivontoerana fandraisam-bahiny sady fampiofanana katolika. Tsy manavaka ara-piaviana, na ara-drazana, na ara-pinoana, na ara-toekarena ny vondrona. Firaisankina ao anatin’ny fahasamihafana no tarigetra. Miainga avy any ifotony ny fampandrosoana izay andraisan’ ny rehetra anjara.
Natomboka tamin’ny asa fanadiovana ny tanàna sy ny sisin-dranomasin’ Antafiambotry indroa miantoana ny asa, taloha sy taorian’ny taombaovao. Mbola hitohy ny hetsika fanadiovana sy fiarovana ny tontolo iainana. Hitetezana tanàna sy fokontany eo anivon’ny kaominina mandritra ny telo volana, alohan’ny hisokofan’ny fanaratoana amin’ny volana avrily.
Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny VTI. Asa fa tsy kabary no atao: asa mivaingana, fanentanana, fanabeazana, fampihavanana, fanorenana ifotony, fampandrosoana maharitra. Miara-miasa amin’izany ny ONG Blue Ventures sy ny fikambanana L’Isola dei Bambini avy any Italia.
R. Nd.