“Raha jerena ny zava-misy sy ny famakafakana politika eto amin’ny firenena, tsy mampino ny hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity” hoy i Pasitera Mailhol. Voalohany, nisalasala ny filohan’ny CENI tamin’ny volana Novambra mikasika ny tsy fahampian’ny vola hanaovana ny fifidianana. Faharoa, sivy volana aty aloha, mbola tsy nanambara ofisialy mikasika ny daty hanaovana fifidianana ny fanjakana. “Raha hisy ny fifidianana na tsia, tokony hanambara ofisialy alohan’ny volana febroary sy Marsa hoavy izao ny fanjakana”, hoy izy.
“Tsy maintsy hiroso amin’ny tetezamita isika raha tsy misy izany” hoy hatrany izy. Hiteraka korontana eo amin’ny firenena anefa ny tsy fisian’ny fifidianana, hoy ny fanazavany.
“Vahaolana tsy hisian’ny korontana ny firesahana sy fifanakalozan-kevitra ary fivoriana eo amin’ny rehetra. Handinihana ny zavatra tokony hatao sy ny hanatsarana ny fiainam-pirenena sy ny lafiny politika ary indrindra ny fifidianana.”, araka ny nambarany ihany.
“Ho mafy sy ho maizina ny tontolo politika amin’ity taona ity, tsy eto Madagasikara ihany fa maneran-tany”, raha ny fanazavany hatrany. Voakasik’izany, ny fikorontanana eo amin’ny lafiny ara-bola sy ara-politika. “Mety hanao ahoana ny fahasahiranan’ny vahoaka manoloana ny tsy fisiana sy ny fahantrana mahazo amin’izao fotoana izao raha sanatria hiseho izany?”, hoy izy namarana ny resaka.
Mino ( Mpianatra asa)