Nifampikapoka tavoahangy : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra

Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny samy mpinamana vokatry ny tsy fahazakana zava-pisotro misy alikaola, omaly, tany Ampitakely, Fianarantsoa. Tovolahy iray no namoy ny ainy vokatr’izany. Raha toa ka naratra kosa ny namany iray.

Nitrangana adin’ny samy mpinamana tao amin’ny toeram-pisotroana iray, any Ampitakely, Fiana­rantsoa, omaly. Nisy tsy fifanarahana teo amin’ireo roa lahy niara-nisotro, tamin’io fotoana io, ka nitarika ny ady. Samy nandray tavoahangy izy ireo ka nifampikapoka. Voka­ny, maty ny lehilahy iray, raha toa ka naratra mafy ny iray hafa, izay efa nentina notsaboina any amin’ny hopitaly Tambohobe. Nisy nahatsikaritra ny ady nifanaovan’izy roa lahy ireto ka nampilaza haingana ireo polisy miasa ao amin’ny kaomisaria foibe Fiana­ran­tsoa. Tonga nijery ny zava-misy tany an-toerana izy ireo ka nahita ireo lehilahy roa efa naratra mafy tao amin’ilay toerana. Efa tsy nisy aina intsony ny iray raha toa ka naratra mafy ny iray hafa.
Niparitaka ny vakin-tavoahangy…
Niara-nisotrosotro kely tao amin’ny toeram-pisotroana iray any an-toerana izy roa lahy ireto. Tsy nisy nahafantatra izay tena zava-niseho ny mponina fa nanaitra ny maro ny feo avo sy ny korontana nisy. Nahitana vakina tavoahangy maro niparitaka tamin’ny tany teo akaikin’izy ireo ka antony nahatonga ny faharatrana sy fahafatesan’ireo olona niady.
Tsiahivina fa efa nahitana fatina tovovavy 17 taona tao amin’io tanàna io, ny volana janoary lasa teo. Niady sy nifamaly tamin’ny olon-tiany izy tamin’io fotoana io ka namoy ny ainy. Nentin’ilay olon-tiany sy namany ho ariana any anaty lavaka ny razana avy eo.

Mino

Partager sur: