Trail Ibity andiany fahasivy : Hanampiana ireo zaza tsy ampy sakafo ao Antsirabe

Hotanterahina ny alahady 6 avrily ho avy izao, ny andiany fahasivy amin’ny Trail Ibity. Any amin’ny faritra Vakinan­karatra no hanatontosana izany. Ankoatra ny maha fifaninanana ara-panatanjahantena azy, tanjona ny hanangonam-bola hanampiana ireo zaza tsy ampy sakafo mahery vaika, beazin’ny trano fananjariana ara-tsakafo ao Ibity.
Tsy hazakazaka fotsiny ny Trail Ibity, fa fizahantany koa. Misokatra ho an’ny rehetra ary tsy mifidy taona na ireo efa kalaza na ireo vao hisantatra izany, ny hetsika. Ezahina hahatratra 2 000 ireo mpandray anjara amin’ity andiany fahasivy ity.
Misy ny zava-baovao entin’ny fifaninanana, fanokafana ny halaviran-dalana 3 km, 15 km ary ny 31 km izay mandalo ireo toerana manan-karena amin’ny zavamananaina sy ireo karazam-biby sy zavamaniry voaaro an-jatony izay tsy fahita firy eto Madagasikara.
Afaka hianoka tontolo mahafinaritra sy hifoka rivotra madio ao amin’ny tendro­mbohitr’Ibity, 25 km atsi­mon’Antsirabe. Toerana mety ho an’ny fanatanjahantena sy fizahantany ary fitsangantsanganana.
Manomboka ny 17 febroary ny fisoratana anarana ary hifarana ny 28 marsa ho avy izao. Hatao amin’ny alalan’ny tambajotra izany. Hisy fitaterana ho an’ireo mpandray anjara miala eo amin’ny gara An­tsirabe mihazo ny toeram-piaingana.

Torcelin

Partager sur: