Toa ny seha-kanto rehetra, ahitam-pivoarana ihany koa ny hatsikana. Voaporofo izany nandritra ny « Amour Rire » andiany fahatelo, notontosaina omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Mbola eo ireo zokibe amin’ny hatsikana, toa an’i Francis Turbo, Rajao ary i Honorat, izay vao jerena fotsiny dia mampihomehy ny mpijery. Ry zareo no nahazo taona, fa ny forony kosa vaovao sady voarain’ireo mpiala voly avokoa. I Riri sy Aldini, efa fantatra amin’ny fiarahana an-tsehatra, na ampahan-tantara mampitokiky na ny « vazovazy », izay fanovana ny tononkira hampihomehy. Ny « Stand up » kosa no manavanana an’i Barhone sy i Raytra Belaw’yck, izay tanora mpanao hatsikana efa manana ny mpankafy azy manokana amin’izao fotoana izao.
Mazava loatra fa nihodinkodina teo amin’ny resa-pitiavana ireo hatsikana rehetra nalahatra, na ny niarahana na ny an’ireo nandeha tsirairay. Misy ireo lasa lavitra kokoa, misy ireo notakarina teo akaiky teo, fa nampihomehy ireo mpijery hatrany izay. Azo antoka fa nisy nitondra fihomehezana nody ireo nanam-bintana nanatrika iny seho iny.
Zo ny Aina