Lalàm-pifidianana: mitaky fanovana hatrany ny RMDM

“Takintsika hatrany ny fanovana sy fanatsarana ny lalàm-pifidianana”, hoy ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara (RMDM), Ravalomanana Marc, tamin’ ny kabary fidirana politika teny Faravohitra, omaly. Tena tsy hanaiky lembenana intsony ry zareo amin’ireo rafitra sy mpikamban amin’ny fikirakirana fifidianana. Efa nitaky ny hisian’ny fiaraha-midinika eo amin’ny samy Malagasy ry zareo, manazava ny amin’izany aloha. Raha toa tsy manaiky an’izany ny eo amin’ny fitondrana izy, afaka adidy ny mpanohitra.
Tsy azo antoka fa mitanila ny lisi-pifidianana sy ireo rafitra mpikarakara fifidianana. Noho izany, tsy hisy fifidianana handeha amin’ny fahamarinana. Tsy eken’ny vahoaka io, raha tsy miova aloha io rafitra io sy ny lisi-pifidianana. Fifidianana no fototra voalohany fakana fahefana. “Koa mitaky ny handraisan’ny rehetra andraikitra aho”. Tsy maintsy miainga avy any amin’ny fokontany sy ny kaominina tsirairay avy izany. Samy nahazo anjara fitenenana ny filoha lefitry ny RMDM any avy Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, Analamanga… Teo koa ny avy amin’ny tanora.

Miaraka amin’ny RMDM ny HVM
“Ao anatin’izay fidirana politika izay, tokony hiomana sahady ny vondron’ny mpanohitra haka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Désiré, tamin’ny mpanao gazety. Ao anatin’ny fepetra hahatongavana amin’izany ny mahatonga ny HVM nametraka tany amin’ny taona 2022 ny hoe: inona no mety hitambarana? Hapetraky ny antoko hatrany ao anatin’ny fifampidinihana: misy fandaharanasa azo eritreretina hiraisan’ny vondron’ ny mpanohitra ve ny famahana ny olana eto Mada­gasi­kara?

Raha olombelona no resahina mialoha, mety hampisaraka izany. Fa fandaharanasa na vinam-piarahamonina no apetraka eo ambony latabatra hifampidinihana. Mampirisi­ka ry zareo hoe tokony hiroso amin’izany ny vondron’ny mpanohitra. Raha resy lahatra ny mpanohitra fa misy zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, tokony hisy volavolana fandaharanasa hitoviana ha­hazoana miroso mankany amin’ny fifidianana. Any aoriana ny momba ny olona na izay ho kandidà, satria tsy izany no tokony ho adihevitra alohan’ny zava-drehetra.

R. Nd.

Partager sur: