ONG Tolotsoa: « Tsy mazoto amin’ny fanisana mpifidy ny vaomiera ifotony »

“Tsy mazoto ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE), raha ny resaka nifanaovana tamin-dry zareo. Raha ny tamin’ny telo volana, oktobra-novambra-desambra, ohatra: 65 000 Ar no vola azon-dry zareo. Koa tsy mampahavitrika azy ireo intsony ny hanohy ny asa, raha izay tambiny azon-dry zareo izay.” Io no nambaran’ny avy amin’ny ONG Tolo­tsoa, i Miadana Fabien Privat, momba ny fanisana mpifidy eny ifotony amin’izao volana farany izao. Malaina ry zareo fa tsy mifanaraka amin’ny asa atao ny tambin-karama azony, raha ireo mpikamban’ny CLRE niresaka tamin’ity firaisamonina sivily ity.
Mila jeren’ny Ceni izay hampazoto azy ireo hanao ny asa, indrindra amin’izao fanohizana azy izao. Tafiditra ao anatin’ny fanaraha-maso ata­on’ny ONG izay fampandehanan-draharaha izay, ka izay no ifampiresahany amin-dry za­reo sy ampitany izay azo am­pi­taina amin’ny tomponandraikitra isan-tokony eo anivon’ny Ceni. Etsy andaniny, miara-miasa amin’ny tanora ny ONG manao fanentanana hanirahana ny olom-pirenena hanatona ny fokontany hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.

Tsy misy fiovana ny fomba fiasan’ny Ceni
“Tsara hatrany ny dinika re­hefa misy vokatra. Hatra­min’izao aloha ny dinika natao, toy ny fifampiresahana fotsiny fa tsy dia misy fiovana ny fomba fiasa rehefa avy eo”, hoy izy, momba ny fakan-kevitra na­taon’ny Ceni amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Betsaka ny sosokevitra tamin’ireny dinika ireny, fa rehefa tonga ny fotoana iasan-dry zareo: ny eo ihany no eo. Tsy mitombo ny serasera ataon’ny Ceni, fa mbola betsaka iha­ny ny zavatra tsy mazava amin’ny olona. Ao ny zavatra angatahiny, nefa tsy azony amin’ny Ceni: tsy fantatra hatramin’izao, ohatra, ny lisitry ny fo­kontany misy mpanisa mpifidy (AR) na aiza avy no tsy misy?
Amin’izao fotoana izao, re tamin’ny fifampiresahana ta­min’ireo tomponandraikitra CL­­­RE fa najanona, hono, ireo AR fa ny CLRE no manao ny asa mandritra ity volana ity. Miteraka tsy fahazotoana eo amin’ny CLRE izay, raha ireo tafaresaka tamin’ny ONG Tolotsoa.

R. Nd.

Partager sur: