Fandraisana mpirakidraharaha : hatao isaky ny renivohi-paritra

“Manambara ampahibemaso aho fa ny tetibola izay tokony handraisana mpirakidraharaha fitsarana, tsy foana akory fa nahemotra noho ny antony fandaminana”, hoy ny minisitry ny Fi­tsarana, Rakotozafy François, momba ny fifaninanana handraisana mpirakidraharaha fitsarana amin’ity taona ity. Tamin’ny telo taona nisian’ny fifaninanana farany, natao foibem-panadinana tokana teto Antananarivo izany. Nahatsa­pana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana fa tokony hanaovana fitsinjaram-pahefana izay fifaninanana izay. Koa haparitaka amin’ny faritany sy ny renivohi-paritra izany.
Tsy misy fiantraikany na antony tamin’ny fitokonana nataon’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Mada­ga­sikara (SGM) ny fanemorana ny fifaninanana, araka ny fanazavan’ny filohan-dry zareo, Randriamaro Alain Michel. Amin-dry zareo, efa mandeha izay fifaninanana izay ary eo ny tetibola handraisana mpirakidraharaha ho amin’izany.

“Tsy misy olana aminay izay, fa mba enga anie mba tena mpirakidraharaha ny 200 horaisina fa tsy sanatria havadika ho “Employés de courte durée” (ECD) na olon-kafa indray tamin’izay nampanantenaina”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: