Jly Rakotonirina Richard: «Zava-dehibe ny diplomasia ho fiarovana ny fiandrianam-pirenana»

Zava-dehibe ny diplomasia ho fiarovana ny tombontsoa sy ny fiandrianam-pirenena, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raha­ra­ham-bahiny mpisolo toerana, tetsy Anosy, omaly. Natao hifandraisana amin’ny any ivelany, indrindra manoloana ny fivoarana misy sy ireo am­bana maro miseho eo amin’ny sehatra ara-jeopolitika maneran-tany izany. Nambarany fa manana anjara toerana lehibe ao anatin’izany izy, indrindra amin’ny fitondrana avo ny voninahi-pirenena malagasy mba ho reharehan’ny firenena. Nohamafisiny, ny maha zava-dehibe ny filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena, indrindra izao manakaiky ny taom-pifidianana izao.

Ma­rihina fa nanatontosa ny fiarahabana sy firariantsoa ho an’ ity minisitra ity ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Raha­ra­ham-bahiny nandritra ny fa­nanganan-tsaina teny Ano­sy, omaly. Nitarika izany ny Sek­retera Jeneraly, Ratsi­man­dao Tahirimiakadaza.

Tsiferana R.

Partager sur: