Mbola mitaintaina toy ny sahobakaka ambody riana ny mpitia baolina kitra malagasy ankehitriny. Miandry fatratra, ny fankatoavana ny kianjaben’ny Mahamasina na ho afa-panadinana indray sa hamerina kilasy ka hojerem-potsiny toy ny tany nahalavoana indray io fotodrafitrasa mirentirenty fatratra io. Tsy mbola very fanantenana ny maro satria ny nofy no tonga fiainana.
Efa manonofy tokoa fa hiara-hiaina hijery baolina miaraka eto Madagasikara indray ny mpiondana ity taranja ity, atsy ho atsy. Efa misikim-ponitra fatratra ireo tomponandraikitra rehetra na ny ao amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena na ny ao amin’ny federasiona miasa miaraka manintsy ny diso ary manamboatra ny tsy mety. Miezaka mafy satria ny nofy no tonga fiainana.
Baiko tokana tsy maintsy tanterahina ny hiverenan’ny fankatoavana ny kianjaben’ny Mahamasina. Na izany aza, tsy tompon’ny teny farany ny Malagasy ka tsy afaka ny hidera-tena ho mahavita azy. Ny ezaka rehetra anefa mila atao ambanin’ny fitahin’Andriamanitra satria izy no mahay ny zavatra rehetra. Ny nofy rahateo mahatonga fiainana.
Fakana lesona ny fianana, ary ny fiainana dia sekoly iray mampianatra, hanana faharetana sy fanetren-tena ary fitsipi-pifehezana. Ketriketriky ny afo, mahamasaka ny nahandro. Bitsibitsiky ny maraina, mahatoandro ny maraina. Ny herim-pon’ny mahery tonga fahombiazana. Tsy vitan’ny nofinofy atoandro anefa izany fa ny nofy no tonga fiainana. Mbola tery ny lalana, lavitra ny dia koa samia misikim-ponitra, tsy hisy no potraka an-dalana ka omen-tehina na lavo am-pamindrana ka omen-kiraro fa hitafio ny herin-tsaina, iakanjoy ny herim-po fa ny nofy no tonga fiainana.
Tompondaka