Ahina mbola hitohy ny olan’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra haingana. Tsy ho tratra ny fisitrahana 80% angovo ny taona 2023, hoy ny Banky iraisam-pirenena.
Mety mbola hitohy amin’ny taona ho avy ny olan’ny fahatapahan-jiro raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana. Mila ampitomboina ao anatin’ny fotoana fohy ny famokarana herinanata toy ny fanavaozana ny tobim-pamokarana herinaratry ny Jirama. Hampirisihina ny sehatra tsy miankina hanangana ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro sy hanavao ireo fotodrafitra efa misy ary koa ireo tambazotra mpamatsy herinaratry ny Jirama. Tanjona ny hisorohana ny fatiantoky ny orinasa sy hanatsarana ny tolotra omeny, raha ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara. Mbola ny 36% ny Malagasy ihany no misitraka ny herinatra, tsizarizary koa ny tolotra. Mampanahy ny zava-misy eto Madagasikara na manana ireo otrikery azo hampiroboroboana ny angovo azo havaozina aza ny firenena. Ambany ny famokarana angovo noho ny fahasimban’ireo fotodrafitrasa. Manampy trotraka ny fiankinan-doha amin’ny fampiasana ny solika mavesatra sy ny tsy fahombiazan’ny fitantan’ny orinasa Jirama, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Famatsiam-bola
Nametraka tanjona hahatrarana ny 80% ny fisitrahana herinaratra ho an’ny taona 2030 i Madagasikara. Azo avy amin’ny angovo azo havaozina sy ny « mix énergétique » ny 85%. Tombanana hatrany amin’ny 7 miliara Ar ny fanatanterahana izany. Angatahana ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina enti-manatanteraka ny vina indrindra amin’ny famatsiam-bola 60% na ny 4,5 miliara dolara ny tetikasa. Na izany, mila hatsaraina ny sehatry ny fandraharahana indrindra ny fitantanana ny orinasa entina hahatrarana ny tanjona apetraka. Iaraha-mahalala fa mandalo krizy goavana ny Jirama. Mitentina 250 tapitrisa dolara ny fatiantoky ny orinasa raha 400 tapitrisa dolara kosa ireo vola tsy voaloa. Mananosarotra ny fandoavana ny volan’ireo sehatra tsy miankina, sakana ho an’ny famatsiam-bola ihany koa ny zava-misy.
Henintsoa Hani