Dingana gaovana no vitan’ny tetikasa Volobe taorian’ny fampiharana ny drafitra ara-tsosialy sy tontolo iainana vitany. Noho izany, hisokatra tsy ho ela ny antso an-tetikasa. Hamokatra angovo hatrany amin’ny 750GWh isan-taona ny tohodranon’i Volobe izay manana tanjaka 120MW ka mahavita mandrakotra 25% ny filana herinaratra eto Madagasikara. Izany hoe, afaka mamokatra 35% ny famokarana eto an-toerana. Hitondra tombontsoa maro ny fanatanterahana ny tetikasa Volobe toy ny fampihenana ny fanafarana solika. Hanatsara ihany koa ny fitantanam-bolan’ny Jirama. Hanamafy ny tambazotra fitsinjarana ny herinaratra ary hampihenana ny delestazy. Araka izany, hamaly ny famokarana angovo eto Madagasikara ny tetikasa Volobe ka mandray anjara amin’ny fampitana mankany amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Marihina fa isan’ny mamolavola ny tetikasa ny « Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe » (CGHV) izay rafitra hiara-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana izay tohanan’ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena.
Henintsoa H.