Manodidina ny 308 000 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara tamin’ny taon-dasa. « Porofo izao fa manomboka miarina ny sehatry ny fizahatany », hoy ny tale mpanatanteraky ny confédération du tourisme de Madagascar (CTM), Rakotomalala Lova. Niantraika teo amin’ny sehatry ny fizahantany ny Covid-19. Tafakatra 900 tapitrisa euros ny fatiantoka azo taorian’ny fanakatonana ny sisintany nandritra ny 19 volana. Very asa avokoa ny 80%-n’ireo mpisehatra, potika ny toekarena. Nametraka paikady nanarenana ny fizahantany eto an-toerana ny fitondram-panjakana sy ireo mpisehatra samihafa. Hisokatra ho an’ny firenena Indianina, Maroc, Tunisie, Rwanda ny lanitr’i Madagasikara. Vonona hiara-hiasa amin’ny firenena aziatika ihany koa i Madagasikara hampitomboana isa ny mpizahantany tonga eto amintsika.
Vanim-potoana
Afaka mandray mpizahantany mandavan-taona i Madagasikara. «Miezaka miditra amin’ny désaisonnalisation isika izao », hoy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, Ramarolahy Sandra. Tsara ny toetr’andro eto amintsika ary anisan’ny mampivoaka ireo karazam-biby samihafa ny vanim-potoana ny orana. Izany hoe, manana asa hatrany ireo mpisehatra ao anatin’ny karazanjava-mananaina mandritra io vanim-potoana io, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ny «fédération nationale des guides», Randriamahaleo Mirana.
Henintsoa H.