Vary safiotra: Ho lasa foibe famokarana masomboly ny any Menabe

Kendrena ho 5 000 t/taona ny masomboly vary safiotra hovokarina eto amintsika. Anisan’ny hamokatra izany ny any Menabe.

Aparitaka tsikelikely ny faritra hametrahana foi­be famokarana vary sa­fiotra eto Madagasikara. Anisan’izany ny any Menabe, ka hanombohana ny fambolena voalohany ny any amin’ny fokontany Betsipotika, kaominina Analaiva, distrika Moron­dava. Efa any an-toerana ireo fitaovana vaventy, hiasa amin’ny velaran-tany 50 ha ary tanjona ny hanajariana 2 000 ha. Nidina tany ifotony, tany an-toerana, ny sabotsy 22 febroary teo, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Faha­leo­vantena ara-tsakafo, Raza­na­mahefa Tahian’Ny Avo. Nambarany fa « fanamby goavana ny famokarana masomboly vary safiotra. Dingana lehibe izany, manokatra lalana vaovao ho an’ny tantsaha, hanova an’i Madagasikara, ho firenena mahaleo tena ara-tsakafo sy ho afaka manondrana vary any ivelany ».

Tantsaha 1 360
Nosokafana tamin’ny fo­mba ofisialy tany an-toerana ihany koa ny fizarana ny masomboly vary safiotra ho an’ny tantsaha, miisa 1 360 amin’izao voalohany izao. Niaraka tamin’ny zezika NPK, urée ary zezika organika. Mpikambana ao anatin’ny fikambanana Tanora aron’ny vahoaka ny 360 amin’izy ireo, efa vonona tanteraka hanomboka ny fambolena.
Maro ny tomponandraiki-panjakana sy olom-boafidy nanotrona ny fotoana. Ho an’ny solombavambahoakan’i Mahabo, Andrianirina Narcis, « dingana lehibe amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo izao ». Nilaza ny ben’ny Tanàna Mahabo, fa “hisy ny rafitra hanara-maso ny fampiasana ny masomboly, ny fampiofanana ara-teknika ny tantsaha hanatsarana ny fahaiza-manaony amin’ny famokarana”. Nanatrika ny fotoana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: