VAOVAO TAMBATRA

Vita ny sabotsy alina teo ny asa maika fanarenan-dalana eo Soarano, ampitan’ny Building Ramaroson. Lavaka be no teo amin’ity toerana ity, niforona vokatry ny ranonorana nisesy sy noho ny fantson-drano tsentsina, ka nanimba ny tany ambanin’ny arabe. Tsy maintsy hoferana anefa ny vesatry ny fiara afaka mandalo eo, ho fikajiana azy. Niara-nisalahy ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny kaominina CUA, ny Jirama ary ny LNTPB.

Nitsidika ny toerana hanombohana ny asa any Volobe, ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina (UE), Roland Kobia, sy ny maosivoho frantsay, Arnaud Guillois, ny 20 febroary teo. Mifandraika amin’ny tetikasa Prirtem 1, tohanan’ny UE sy ny banky eoropeanina BEI ny fanamboarana ny tohodrano any Volobe. Hanampy amin’ny fanamboarana ny lalana mirefy 26 km sy fanorenana tetezana any Ivondro ireo rafitra iraisam-pirenena roa ireo.

Nankalazaina ny 21 febroary teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpitaridia. Anisan’izany ny tany Antsiranana, nanao diabe namakivaky ny tanàna. Fizarana sy fampahafantarana ny asan’ny mpitaridia manodidina ny 50 no natao tany Menabe, tao amin’ny Lycée Pôle Morondava. Nanao fety sy nikorana kosa ny mpitaridia miteny italiana tany Toamasina, mivondrona ao anatin’ny fikambanana AGIT.

Partager sur: