Fambolena sy fiompiana: Tokantranona tantsaha miisa 13 322 hanaovana fanadihadiana

Hamolavolana ny politikam-pampandrosoana ny fanadihadiana momba ny fambolena sy ny fiompiana atao eny anivon’ny tokantrano. Hamaritra ihany koa ireo paikady ara-toekarena hanatsarana ny fihariana sy ny toekarem-pirenena.

Hotanterahina mandritra ny iray volana, manomboka ny volana marsa ka hatramin’ny avrily, ny fanadadihadiana momba ny fambolena sy ny fiompiana, taona 2024. «Tokantranona tantsaha miisa 13 322 no hanaovana ny fanadihadiana. Mitotaly hatrany amin’ny 550 ireo mpanao fanadihadiana hifarimbona hanao ny asa manerana ny faritra 23 ary ho tazomina tsiambaratelo ny valintenin’ireo tantsaha », hoy ny tomponandraikitry ny antontanisa momba ny fambolena sy ny fiompiana (Statagriel), i Solonitompoarinony Joceline. Tanjona ny hampiasana ireo antontan-kevitra ho an’ny fampivoarana ny toekarena sy ny fambolena sy ny fiompiana. Kendrena manokana ny hahazoana ny fivoaran’ny antontanisa eo amin’ny sehatry ny fambolena. Hamantatra ny antontanisan’ireo biby fiompy. Hojerena ny isan’ireo biby miditra sy mivoaka, ny famokarany ary ny ampiasana azy. « Fitaovana stratejika hamaritana ireo politika momba ny fambolena sy hiatrehana ireo fanamby ara-tontolo iainana sy toekarena ary hanamafisana ny fanjarian-tsakafo ny fanadihadiana momba ny fambolena sy ny fiompiana » hoy ny Tale jeneraly mpisolo toerana ny ivontoeram-pirenena momba ny antotanisa, Ramaroson Valderam James.

Toekarena
Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarena ny sehatry ny fambolena. Ny taona 2022, nandray anjara 21,3% tamin’ny ny harinkarena faobe ity seha-pihariana ity. Zava-dehibe ny hanamafisana ny fahalalana momba izany mba hamantarana ireo filana ara-kalitao sy ara-fatra ho an’ny governemanta sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ary ny maro hafa. Hanampy amin’ny fandrafetana ny politikam-pampandrosoana ny seha-pambolena sy ny fiompiana ny fanadihadiana hatao. Hiantoka ihany koa ny fanaraha-maso ireo fepetra raisina ireo antotanisa azo antoka. Maherin’ny 6 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola omen’ny Banky iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa “Stat Cap II” hanaovana ny fanadihadiana. Manohana ny hetsika ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, toy ny FAO sy ny «Initiative 50×2030».

Henintsoa Hani

Partager sur: