Nandritra ny taona 2024: Nampidi-bola 12,1 miliara Ar ny makamba

Seha-pihariana anisan’ny mamelona tokantrano maro sy mampidi-bola ny jono. Ny taona 2024, mitotaly hatrany amin’ny 12 miliara Ar ny vola niditra tao amin’ny kitapombolam-panjakana tamin’ny alalan’ny makamba. Misanda hatrany amin’ny 131 tapitrisa Ar ny totalim-bidin’ireo vokatra naondrana. Porofo izao fa mampidi-bola betsaka ny toekarena manga ary manome asa ho an’ny Malagasy maro ny jono.
Ankoatra izay, niverina nisokatra nanomboka ny 1 marsa teo ny jono makamba rehefa nikatona nanomboka ny telo volana. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny faritra Boeny, Mahajanga ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. « Orinasa lehibe miisa dimy izay mampiasa sambo 38 no misehatra amin’ny jono makamba eto Madagasikara », hoy ny minisitra tamin’ny lahateniny. Mampiasa Malagasy tantsambo maherin’ny 1 500 ireo sambo ireo ary miasa amina faritra dimy.
Ankilany, manodidina ny 3 546 taonina (t) ny vokatra makamba azon’ireo mpisehatra tamin’ny taon-dasa, raha 3 065 t kosa ireo vokatra naondrana tany ivelany. Milanja 481 t kosa ireo makamba namidy sy lafo teny an-tsena, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Sehatra manan-danja ny toekarena manga noho izy kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny firenena. Na izany aza, mbola ambany ny taham-pamokarana trondro eto Madagasikara. Manodidina ny 142 000 t ny vokatra eto amintsika amin’ny ankapobeny. 112 000 t dia vokatra an-dranomasina, raha 30 000 t eo kosa ny vokatra an-dranomamy. Noho izany, mbola tsy ampy 165 000t ny filana, na izany aza, efa misy ny ezaka ataon’ny minisitera amin’ny alalan’ireo fampitaovana ny mpanjono sy fampiofanana samihafa omena azy ireo.

Henintsoa

Partager sur: