Hanampy an’i Madagasikara amin’ny fandrafetana ny paikady fampiasam-bola, hijerena ireo olana sy vahaolana mifandray amin’ny fiovan’ny toetr’andro «Climate prosperity plan » (CPP), indrindra amin’ireo torolalana lehibe amin’ny sehatry ny fampiasam-bola sy ny loharanom-bola iraisam-pirenena ireo iraky ny V20. Nisy ny fivoriana niarahany tamin’ireo tomponandraikitry ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny herinandro teo. Nojerena manokana ny lafiny toekarena sy ara-bola amin’ny sehatry ny fiovan’ny toetr’andro. Marihina fa heverina ho atolotra mandritra ny fihaonamben’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena atsy ho atsy ny CPP.
Tsiahivina fa firenena 20 tena hianjadin’ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro no mandrafitra ny V20.
Henintsoa H.