Ambohitrimanjaka – Ivato : Ho vita mialoha ny avrily ny arabe « voie rapide »

Mihazakazaka ny asa fanamboarana ny arabe « voie rapide », mampitohy an’Ambohitrimanjaka sy Ivato. Mirefy 18 km, miainga eny amin’ny vahilava Ambohitrimanjaka, mivoaka eo amin’ny fihodinana Andranotapahina ary mivoaka any Ivato. Arabe azo andehanan’ny fiara efatra, roa isanisany, mandroso sy miverina.
Manao ny asa ny orinasa China Road and Bridge Corpo­ration (CRBC). Nihaona tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny filoha lefitry ny orinasa, i Zhao Lianzhi, sy ny tale jeneraly, i Yunfei Gao, ny 3 marsa teo. Fantatra fa ho vita mialoha ny volana avrily 2025 ho avy izao ny asa. Hanafaingana sy hanamora ny fifamoivoizana ity lalana ity ary hanamaivana ny fitohanan’ny fifamoivoizana.
Rehefa vita tanteraka ny asa, hifandray amin’ny lalam-baovao eny Tsarasaotra ity lalana ity. Efa misy koa ny tetikasa famoronana lalana hafa avy eny amin’ny lalam-baovao eny amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka, mifandray mivantana eny Ankorondrano. Hafindra any Bongatsara Atsimondrano ny toby fitoeran-tsolika eny Ankorondrano.

Njaka A.

Partager sur: