Hanome tolotra manokana ho an’ny vehivavy ny Paositra Finances mandritra ny volana marsa amin’ny alalan’ny label Ampela Paré. Maimaimpoana ny saram-pikarakarana ny antontan-taratasy manerana ny masoivohon’ny Paositra Finances ho an’ireo maniry hindram-bola. Tanjona ny hanohana ny fidiram-bolan’ny vehivavy mba hanatsarana hatrany ny seha-pihariany sy hampivelatra ny asa sahaniny. « Vehivavy avokoa ny 49% ny mpanjifa ka tanjona ny hampitombo izany mandritra ity volana marsa ity », hoy ny tale jeneralin’ny Paositra Finances, Andrianalisoa Heritiana, omaly. Manohana ireo mpiasam-panjanaka sy ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina ary ireo mpisotro ronono ny Paositra Finances amin’ny alalan’ny tolotra Ketrika. Natokana ho an’ny mpandraharaha kosa ny tolotra Herijika, hanohana ny fihariana. Kendrena ny hisitrahan’ny Malagasy tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny filany sy mitondra amin’ny fivoarana ara-toekarena sy sosialy. Marihina fa tafakatra hatrany amin’ny 50 tapitrisa Ar ny tolotra azo.
Mivoatra
Misandrahaka amin’ny sehatra rehetra ny tolotra ataon’ ny Paositra Finances ka afaka misitraka izany ny rehetra mahavaly ny masontsivana takina. Mihatsara ihany koa ny « porte-feuille » satria mitombo ny sehatrasa sahaniny nanomboka tamin’ity taona ity. Hatramin’ny nisokafan’ny Paositra Finances, ny volana septambra 2024, miisa 20 ireo masoivoho nisokatra tamin’ny faritra maro. Hiampy valo ihany koa izany mandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2025.
Henintsoa Hani