VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina mandritra ny telo andro, ao Berlin, ny « grand salon international du tourisme ITB 2025 ». Handray anjara amin’izany ny delegasionina malagasy, amin’ny alalan’ny Ofisim-pirenena mom­ba ny fizahantany sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Hetsika entina hampahafantarana ny Nosy malagasy sy ny hakantony izany.

Mitotaly 213 752 ireo nitsidika ny faritra arovana sy ireo valanjavaboahary tantanan’ny Madagas­car Na­tional Parks (MNP), nandritra ny taona 2024. Nahitam-piakarany 8% ny tarehimarika raha oharina tamin’ny taona teo aloha. Teratany vahiny avokoa ny 67% amin’ireo mpitsidika, raha 33% kosa ny avy eto anatiny.

Ahina ny fiakaran’ny vidim-piainana ao amin’ ny faritra atsimo. Simba ny vokatra, potika ny fihariana sy ireo fotodrafitrasa samihafa any an-toerana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Mana­no­sarotra ny fivelomana ho an’ireo mponina fa indrindra ireo miasa tena sy mpandraharaha.

Hanohana ny vondron’ny vehivavy malagasy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) ny vondron’ny orinasa malagasy (GEM) mandritra ny fihaonamben’ny « Comité mondial des femmes chefs d’entreprises mondiales eto Madagasikara. Hisy ny fifanakalozan-kevitra samihafa hanohanana ny fandraharahan’ny vehivavy mandritra ny hetsika.

Partager sur: