Ratsy ny toerana misy an’i Madagasikara amin’ny filaharana maneran-tany izay navoakan’ireo federasiona iraisam-pirenena UCI. Maro ny olana sedrain’ny mpikatroka ity taranja ity.
Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, efa nivoaka ny filaharan’ireo firenena mifaninana amin’ny hazakazaka bisikileta. Raha ny tazana tao amin’ilay rohy “Procyclingstats UCI Ranking”, fantatra fa mipetraka eo amin’ny laharana fahatelo amin’ny farany maneran-tany i Madagasikara raha toa ka faharoa amin’ny farany aty Afrika. Raha ny filazan’ireo teknisianina, mitombina tanteraka ihany io filaharana io, noho ny tsy fisian’ny fifaninanana eto an-toerana, izay zara raha mahita iray anaty taona. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny Malagasy mandray anjara amin’ny fihaonana iraisam-pirenena samihafa nefa amin’ireny no ahafahana mahazo isa anivon’ny federasiona iraisam-pirenena UCI. Taranja iray misy eto Madagasikara ny bisikileta ary manana ny rafitra federaly mijoro ara-dalàna, saingy tsy dia ahenoana feo loatra ny mahakasika azy.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa eo amin’ny laharana fahefatra aty Afrika i Maurice.
Hatao any Seychelles
Tokony handray lalaon’ny ranomasimbe Indianina, amin’ity taom-pilalaovana ity, i Madagasikara. Raha ny vaovao azo tamin’ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta, mety hiova ny toerana hanaovana ny fifanintsanana satria tsy ampy ny hoenti-manana. Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao any Seychelles ity lalao iraisana amin’ireo Nosy rahavavy ity. Tsiahivina fa natao tany Maurice, ny andiany voalohany, ny taona 2024 teo.
F.R