“Sahiko ny miteny fikononkonana ben’ny Tanàna vitsivitsy, enina na fito no any, fa tsy misy kaominina 15 mikatona. Lainga izany. Vahoaka vitsivitsy karamaina, omena 10 000 Ar no entina miakatra aty Tsiroanomandidy.” Io ny nambaran’ny depiote voafidy tao Tsiroanomandidy tamin’ny anaran’ny IRD, Ramaherijaona Hajanirina, manoloana ny fiampangan’ny governora miaraka amin’ny ben’ny Tanàna ny prefet any an-toerana hoe maka vola tsy araka ny tokony ho izy amin’ny varotra omby, fanaovana fasana…
Nanao antso avo ny filohan’ny Repoblika tamin’ny taona vaovao hoe tokony hisian’ny fitoniana na ao anatiny na eny ivelany. Nefa ny zava-misy: ny mpanatanteraka misolo tena azy no mitarika fikomiana any an-toerana. Somary mamparisarisa ny fampandrosoana ary maharatsy endrika ny fitondram-panjakana amin’izao izany, ka anaovany antso. Ny tany misy olobe, tsy miady zaza. Ho hita eo ny fandehany…
Mandringa ny fampandrosoana any an-toerana
Ny tena marina: ny fiaraha-miasa no hahavitan-javatra. Nefa rehefa misy mandringa toy izao raharaha izao, tsy misy na inona na inona vanona fa adilahy politika no misy. “Miezaka tsy miteny ihany ny tena fa ao anatin’ny fitondrana”, hoy izy. Nefa vay an-kandrina ny zava-misy, io mivandravandra io. Efa leo ny ao Tsiroanomandidy amin’izao, ary hitsangana any amin’ireo kaominina misy an’ireo ben’ny Tanàna vitsivitsy be tabataba ireo. Tokony hanao zavatra ireo ben’ny Tanàna ireo, fa tsy hanakorontan-dava.
Noho izany rehetra izany, mandringa ny fampandrosoana any an-toerana. Tsy miasa araka ny tokony ho izy, ohatra, ny fitaovana vaventy fanaovan-dalana, fa mipetra-potsiny any ambadika any. Raha miasa amin’ny ampahany kely aza izany, ny vahoaka no miantoka ny solika. Nefa anisan’ny faritra manankarena ny any an-toerana, satria mahazo tamberim-bidy amin’ ny vokatra. Tsy misy miantraika amin’ny vahoaka izany, fa lany andro amin’ny fiakarana amin’ny haino aman-jery sy amin’ny fanakaramana olona hikomy tahaka izay mitranga any an-toerana amin’izao fotoana izao.
R. Nd.