Namoaka setroka maloto sy fofona ny orinasa iray eny Ivato. Nidina teny an-toerana ny fanjakana (Medd, MIC, ONE, kaominina,…), ka nasaina naaton’ilay orinasa ny fandorany vorodamba sy plastika satria tsy tomombana ny milina ao aminy. Hiverina eny an-toerana ny ONE hanombana ny lafiny teknika sy hijery ny fanarahana ny didim-panjakana Mecie.
Hiara-hiasa i Madagasikara sy ny Exim Bank Chine amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasam-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny angovo, ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra ary ny fitaterana. Noraisin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, omaly, ireo delegasionin’ny Exim Bank Chine.
Efa miasa ny bac any Befasy, RN12, mampitohy an’i Taolagnaro sy Vangaindrano, faritra Atsimo Atsinanana. Mahazaka hatramin’ny 15 taonina ity bac ity ary maimaimpoana ny fiampitana aminy. Anisan’ny asa natao taminy ny fanadiovana sy ny fanoloana ny takelan-kazo rehetra. Nohamafisina ny tetezana any Ragnavavy sy Somisika.
Nanamafy traikefa tamin’ny alalan’ny fiofanana ny E-vohary ireo tanora ao Mahajanga.Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaony entiny hananganana orinasa sy hitadiavana asa. Ilaina ny mampiofana ny tanora eo amin’ny sehatry ny fandraharahana entina mampandroso ny toekarena.