Na lavitra sy saro-dalana aza… : mandeha ny fanisana mpifidy any amin’ny distrikan’i Marolambo

Tapa-bolana sisa dia hifarana ny fanisana mpifidy ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Mby aiza? Indrindra ny any any amin’ny toerana lavitra, saro-dalana… Mandeha ny fanisana mpifidy, raha ny any amin’ny distrikan’i Marolambo, ohatra.

Raha 5% ny tahan’ny fisoratana anaran’ny olom-pirenena amin’ny lisi-pifidinana ao amin’ny distrakan’i Marolambo, faritra Atsinanana, ny 29 novambra 2022, tafakatra 41,49% izany ny 28 desambra 2022 ary 52,5% omaly 11 janoary, araka ny tatitry ny mpanolotsaina eo ani­von’ny Ceni miahy ny faritanin’i Toamasina, Ravalite­ra Jacques Michaël, teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, omaly.
Nisy ny fidinana ifotony any amin’ny faritra tena saro-dalana sy lavitra nandritra ny iray volana teo ho eo. Anisan’izany Antanam­bao Manampotsy, Anosibe an’Ala, faritra Alaotra Man­goro; indrindra i Marolam­bo, faritra Atsinanana. Efa fanamby izay fidinana ifotony izay, hijerena ny zava-misy sy hamahana olana.
Niaraka tamin’ny fitaovana ny fidinana ifotony izay ahazoana manatratra isa. Tsy hoe izay isa izay no tsy maintsy havoaka. Zon’ny olom-pirenena ny misoratra na tsia ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. “Tsy misy lalàna milaza fa tsy maintsy terena ny olom-pirenena hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy”, hoy izy. Ny tsirairay avy amin’ny maha olom-pirenena no manana adidy aman’andraikitra eto amin’ny tany sy ny fanjakana hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.

Tsy ampy ny serasera

Hamahana ny olana no nidinana ifotony toy ny tany Marolambo, ohatra, izay nirehitra ny foibe famokarana herinaratra tamin’ny faramparan’ny novambra 2022. Nian­traika tamin’ny fampidirana anarana amin’ny ordinatera izany. Koa nisy ny fihaonan’ny Ceni foibe tamin’ireo an­kolafin-kery politika, ny firaisamonina sivily, ny olobe, ny olom-piangonana… Fanen­ta­nana sy fiaraha-miasa no natao. Adidy iombonana ny raharaham-pirenena, ary tsy an’ny Ceni irery ihany ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Vokatry ny fihaonana, nivoatra ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidinana, araka ny salanisa etsy ambony. Midika izany fa mazoto ny olom-pirenena, fa ny serasera no tsy ampy.

Manana andraikitra ny mpisehatra politika

Fanambin’ny Ceni ny hoe fifidianana eken’ny rehetra. Ilaina hatrany ny mifanentana na mpanao politika, na firaisamonina sivily, na olom-piangonana… Mila beazina ny olom-pirenena amin’ny fampahafantarana ny zo aman’andraikiny. Izay no tsy ampy hatramin’izay.
Amin’izay fanabeazana olom-pirenena izay, manana olona manohana azy ny mpanao politika. Ireny indrindra no tokony hoentanin’izy ireo hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, fa tsy rohitina amina hevitra tsy mampandroso ny raharaha sy ny fiainam-pirenena ny resaka. Ny hevitra samy mety manana ny azy. Tsara kokoa raha mba zavatra marina no lazaina ao anatin’ny serasera. Raha misy hevitra tsy azo fa mampihazohazo, manatona ny tomponandraikitra eny anivon’ny distrika.
“Sambany nisy avy aty amin’ny Ceni foibe nidina tany an-toerana. Tsy hoe indray mandeha ihany fa hidina matetika amin’ireny toerana sarotra ireny izahay mba hahazoantsika mifanerasera sy manatsara ny fomba fiasa”, hoy ihany izy. Tsy any amin’ny faritra Atsinanana izay fidinana ifotony izay, fa any amin’ireo toerana tokony hidinana.

R. Nd.

Partager sur: