Depiote Razafintsiandraofa Jean-Brunelle : “Azo porofoina ny fivarotana zanaka any Ikongo”

“Misy ary zavatra nisy io. Ny vadiko manatanteraka asa sosialy any amin’ny distri­kan’Ikongo efa nitondrana ray aman-drenina zaza in­droa miantoana, tamin’ny novambra sy desambra 2022. Nivarotana olona zaza ny vadiko”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, fa­ritany Fianarantsoa, ny depiote voafidy tany Ikongo Raza­fintsiandraofa Jean-Brunelle, teny Ivato, omaly.

Nomarihina fa tsy izy no namoaka an’iny vaovao iny, fa fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana na ONG. Nivoaka ny vaovao ary voatonona ny distrikan’Ikongo. Nihazakazaka sy nirohotra ny mpanao gazety naka angom-baovao sy fanamarinam-baovao tany aminy. Nandray fepetra avy hatrany ny vadiny, niantso mpitandro filaminana. Norohizana tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana io reny io sy ireo zaza namidy. Azon’ny mpanao gazety porofoina sy ny mpitondra fanjakana ary ny mpitandro filaminana ao amin’ny kaomisarian’Ikongo koa ny fanaterana ny reny nivarotra zaza izany sy ny zaza namidy.

Tena nisy nividy ny zaza

Tamin’ny 28 desambra 2022, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Kianjavato, distrikan’i Mananjary: nisy zaza roa namidy. Zaza efa-taona ny iray, namidy 100 000 Ar; ary zaza menavava efa-bolana ny iray, namidy 50 000 Ar. Novidin’ny olona any Mananjary ilay zaza efa-bolana, ary ilay zaza efa-taona novidin’ny olona tao amin’ny kaominina ihany. Anontanio ny ben’ny Tanànan’i Kianja­vato fa nanaovana taratasy tao amin’ny kaominina izany.

“Izay no mahagaga ahy : rehefa mitantara zavatra marina ny tena na miresaka ny zavatra misy mahamenatra na manohintohina dia avily ny resaka ary hamoronana zavatra hafa. Tsy izahay no handainga, na hilaza zavatra diso”, hoy ihany izy.

Inona ny marina?

Etsy andaniny, ranolava ny famoahana fanambarana miaraka avy amin’ireo tomponandraikitra isan-tokony any an-toerana milaza fa tsy mitombina velively ny filazana fa misy zaza amidy any Ikongo. Anisan’ny nilaza izany ny ben’ny Tanàna ao an-toerana, fa efa ao anatin’ny hoe filana vary ny any an-toerana. Tonga soa aman-tsara ny fanampiana avy amin’ny BNGRC, ny Pam… Eo koa ny Vatsin’ankohonana, ny Vatsy tsinjo, ny Tosika fameno. Teo koa ny filohan’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna sy ben’ny Tanàna vitsivitsy hafa fa tsy marina ny fivarotana zaza eny an-tsena. Misy ny fampitandremana an’ireo hoe milaza vaovao tsy marina. Teo koa ny avy amin’ny mpitandro filaminana ny amin’ny tsy fisian’ny fivarotana zaza izay.

R. Nd.

Partager sur: