Fitantanana sy andraikitra: mizara ny hafaliany fony mpanao gazety i Fano Rakotondrazaka

Iza izy ? Rakotondrazaka Fanomezana Espéré na i Fano Rakotondrazaka. 52 taona. Manam-bady, manan-janaka mianadahy. Mankafy ny mizaha tany ka mahita sy miaina ny fomban’ny faritra sy ireo foko samihafa. Ani­san’izany ny nanatrehany ny fomba fandevenana tany Be­zaha Mahafaly, ny nandehanana ny lalana avy any Tao­lagnaro mivoaka any Van­gaindrano… “Tena harentsika ny fahasamihafana”, hoy izy. Efa nanao atletisma sy baolina kitra teo aloha. Tia manao dia an-tongotra, araka ny fahafahana ho fitaizam-batana. Ani­san’ny ankafiziny ny “Cru­dité” saingy tsy tia zava-mamy loatra.

Tsy nety nino…

Nanamarika teo amin’ny asany ny nahalany an’i Fano Rakotodrazaka hisolo tena ny mpanao gazety tao amin’ny Ceni-T, tamin’ny fotoan’androny. Nifidy azy ireo mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy, manana karatra avy amin’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), ny taona 2012. “Nisy tamin’izy ireny no mpanao gazety zoky manana ny maha izy azy sy ny lazany. Pao-tsatroka ho azy ireo. Tsy nety nino hoe izaho mpanao gazety kely iny no nametrahan’ny namana rehetra ny fitokisana hisolo tena azy ao amin’ny Ceni-T”, hoy izy. Nan­teriny fa tsy maintsy mitandrina amin’ny atao. Nanome toromarika ny zandry aty aoriana ny tenany… “Atao am-pitiavana ombam-pitozoana fa ho hitanao eo ny vokany. Alaivo sary an-tsaina ange ny fitiavana ity asa fanaovan-gazety ity e!” hoy izy.
Notantarainy ny indray hariva ny taona 1996 ary fahavaratra toy izao indrindra. Anjarany ny nanolotra vaovao tao amin’ny Radio Lazan’Ia­rivo (RLI). Nikija ny orana nefa mbola tany am-pitrandrahana vaovao izy. Tsy ho tratra ny fotoana raha mbola handray taxi-be any Analakely. Nanapa-kevitra niakatra ny tohatohabato Razafindrazay na ny “416”, miala Mahama­sina mankeny Andohalo izy. Mafimafy ny nifanehatra tamin’ny riaka avy any ambony. Tonga ny tamin’ny 7 ora latsaka fahefany, nanomboka toy ny mahazatra ny vaovao. Ny mpihaino tsy misy nahafantatra ny fomba natao tsy handisoana ny fotoana aminy. Ny tenany kosa toa misy hafaliana anaty “Satisfaction mo­rale” ho nahavita ny nandrasana taminy, araka ny fitantarany.

Lanjalanjaina ny zavatra rehetra sy ny atao

Nianatra lalàna i Fano Rakotondrazaka. Efa am-perinasa vao niofana momba ny asa fanaovan-gazety teto an-toerana sy tany ivelany. Efa niasa tao amin’ny Radio La­zan’Iarivo (RLI) sy ny Aceem Radio. Ny Radio Fréquence Plus. Nifindra tany amin’ny gazety an-tsoratra Ao Raha sy ny L’Express de Madagascar avy eo. Efa filoha nitarika ny Fikambanan’ny mpanao gazety amin’ny onjam-peo tsy miankina (AJRP) koa. Efa filoha lefitry ny OJM ny taona 2000. Nahavita fe-potoam-piasana indroa misesy tao amin’ny Ceni ary izao lasa talen’ny andrimaso ara-toekarena sy fifandraisana (DVEC) ao amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana izao. Niaiky ny tenany fa lasa toetra raiki-tampisaka amin’ny maha mpanao gazety ilay fanamarinana ny zavatra re, hita sy tsapa fa tsy mitelina avy hatrany. “Tsy maintsy lanjalanjaina ny zavatra rehetra tsy hifotitra amin’ny rafitra iasan’ny tena, amin’ny maha tompon’andraikitry ny fifandraisana amin’ny minisitera”, hoy izy teo am-pamaranana.

Nangonin’i Synèse R.

Partager sur: