CNIDH : “Tsy voamarina ny fivarotana zaza any Ikongo”

Nanao fanambarana, ma­noloana ny fiparitahan’ny resaka fivarotan-jaza ao amin’ny distrikan’Ikongo ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon’olombelona (CNIDH), omaly. Nanatanteraka fanangonam-baovao sy fanamarinana teo anivon’ireo sampandraharaham-panjakana, olom-boafidy sy firaisamonim-pirenena any an-toerana izy ireo. “Tsy voamarina hatreto ny fisian’ny tranga fivarotan-jaza any an-toerana”, hoy ny CINDH.
Nambaran’izy ireo fa nisy ireo ray aman-dreny voatery nametraka ny zanany tany amin’ny fianakaviana, heveriny fa mety hanana ny fahafahana mikarakara ireo ankizy voalaza ireo mandritra ny mosary. Anton’izany ny fahasarotan’ny fihariana sy ny tsy fanjariana ara-tsakafo nihamafy, indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Ba­tsirai ka namela takaitra mafy. “Tombanana ho 15 ireo ankizy voakasik’izany tranga izany raha ny antotanisa niampita avy any amin’ny fiarahamonina ka tafakatra ao amin’ny distrika. Miisa telo kosa ireo zaza nilaozan’ireo ray aman-drenininy nandritra ny taona 2022. Mpirahalahy avy ao Salagnona, fokontany Saha­mamy ny roa ka enin-taona ny zokiny ary efa-taona ny zandriny”, hoy hatrany ny CNIDH. Voalaza fa manana tsy fahatomombanana ara-tsaina ny renin’izy mirahalahy ireto. Nandray sy nampianatra azy ireo ny sampandraharahan’ny Mponina any an-toerana.

Fahasarotan’ny lalana
Nambaran’izy ireo fa efa miverina tsikelikely any amin’ny ankohonany avy ireo ankizy napetraka tany amin’ny fianakaviana amin’izao fotoanan’ny miaka-bokatra izao.
Anisan’ny antony mampidangana ny vidim-piainana any an-toerana ny fitokana-monin’ny distrikan’Ikon­go noho ny fahasarotan’ny lalana. Mampiverimberina ny tsy fanjariana ara-tsakafo ary mamparefo ny fiharian’ny mponina koa izany, ara­ka ny fanambarana hatrany.
“Manainga hatrany ireo tompon’andraikitra sy ma­nam-pahefana isan-tsokajiny izahay ny amin’ny fa­matsiana ny tohana ho an’ireo mpiray tanindrazana any an-toerana”, hoy ny CNIDH. Notsiahivin’izy ireo fa nisy ny fanampiana sakafo sy vola nentin’ny BNGRC sy ny CPGU) ary ny Fid. Nitondra fanampiana koa ny Pam.

Synèse R.

Partager sur: