Hampiantrano fifaninanana goavana ny etsy Andraharo, ny sabotsy sy alahady ho avy izao. Zava-dehibe tokoa ireo fotoana ireo. Hanao ny “Orange Master Final” ireo mpilalao 16 mendrika.
Hotanterahina eny amin’ ny Urban Futsal Galaxy Andraharo, ny faran’ny herinandro ho avy io (17-18 mey), ny fifaninanana tenisy anaty efitrano padel, mitondra ny anarana « Orange MPPTour 100 », sokajy lahy sy vavy. Mpilalao miisa 72 no hifanintsana amin’izany, araka ny fanadihadiana natao, ka ny 48 lehilahy ary ny 24 vehivavy.
Marihina fa ity fifaninanana ity dia natokana ho an’ireo mpilalao rehetra manana isa 100 tamin’ity taranja ity. Tan-jon’ny mpikarakara amin’izany ny hampivoatra ny fahaizan’ny Malagasy sy ny hampiroboroboana ny padel eto an-toerana. Ankoatra izay, hotolorana lelavola 500 000 Ariary, izay mahazo ny laharana voalohany amin’izany, raha toa ka 250 000 Ariary, ny an’ireo tonga eo amin’ny famaranana.
Tsara ny mampahafantatra fa efa manana ny lazany ary handray anjara amin’ity “Orange MPPTour 100” ity, ry Razafimamonjy Prisca sy Razafimahatratra Zarah, raha ny sokajy vehivavy manokana no resahana. Ireo mpirahalahy, Ratsimandresy Toavina sy Itokiana, kosa anarana hita misongadina ao amin’ny lisitry ny lehilahy.
Araka ny fanazavana azo avy amin’ny tomponandraikitry ny fifaninanana, hiatrika ny fifaninanana “Orange Master Final” izay 16 mendrika amin’ ity.
Ampahatsiahivina fa efa manana ny lanjany eto Afrika ny padel Malagasy. Porofon’ izany, ny nandrombahin’izy ireo ny medaly volamena, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taona 2024.
Fitia Randria