TSELATRA

Pretra teratany vahiny namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana nanjo azy tao Manandona, Antsirabe, ny alarobia 21 mey teo. Nifandona tamin’ny kamiao ny fiara tsy mataho-dalana nentin’io niharan-doza io. Niezaka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo nanatri-maso saingy tsy tana ny ainy. Miasa ao Fianarantsoa io Pretra tra-doza io.
Saron’ny fokonolona tao anaty gony ny taolam-paty am-polony tao amin’ny sampanan’ny tetezan’ Ivolo, tsy lavitry ny tanànan’i Betsizaraina, distrikan’i Mahanoro, omaly. Miisa 78 ny taolan-dava ary 65 ny taolana fohy. Misahana ny fanadihadiana ny zandarimaria ao Mahanoro.
Vehivavy mpisoloky mpianatra voasambotra teny Itaosy, naiditra am-ponja afakomaly. Manolotra firavaka sandoka amin’ireo mpianatra izy. Nitoroka ireo lasibatra ka voasambotra ny 17 mey lasa teo io ramatoa io.
Karohin’ny mpitandro filaminana, nanomboka afakomaly, ny vehivavy iray nitondra vola 11 tapitrisa Ar izay tokony ho nentin’ny mpianatra nanao dia fibeazana. Tsy naharenesam-baovao ny momba io vehivavy io hatreto.

Partager sur: