Maro ny raharaha mafana ao amin’ny faritr’i Toamasina ka mahatonga resabe, anjakan’ny kolikoly any an-toerana. Manahy amin’ny fisian’ny kolikoly sy ny sisi-bola ny havan’ny maty. Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly, i Bruelle, 17 taona.
Voarohirohy tamin’ny tranga nahafaty ny sakaizany antsoina hoe Julie, 17 taona, izy. Tonga naka an’i Julie tany amin’ny ray aman-dreniny tany Tanamakoa izy io ny 27 desambra lasa teo. Salama vatana sy saina tsara ity tovovavy ity tamin’io andro io, raha ny tatitra voaray. Naverin’ izy sy ny anabaviny tany an-tranon’ny ray aman-dreniny kosa izy ny alin’ny 31 desambara hifoha ny 01 janoary lasa teo. Efa narary tsy nahatsiaro tena i Julie. Noentina notsaboina tany amin’ny hopitaly avy hatrany izy avy eo. Feno dian-tsindrona ny tanany sy ny sandriny ary feno ratra ny feny nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy. Nahatsiaro tena kely izy rehefa nahazo fanafody ka afaka nitantara ny zavatra nihatra taminy. Maty ny 6 janoary lasa teo izy. Fampiasana sy tsindrona zava-mahadomelina ny antony nahafaty ity tovovavy ity nandritra ny fizahan’ny mpitsabo. Nitory ireo fianakavian’ny tovolahy telo mianaka ny havan’ny maty taorian’izay. Ny fitazomana tovovavy tsy ampy taona, firaisana tsikombakomba ary fampiasana zava-mahadomelina nitarika ny fahafatesan’i Julie ny antony niampangana azy ireo. Naiditra am-ponja vonjimaika ilay tovolahy, afaka madiodio ny reniny sy ny anabaviny taorian’ny fampanoavana. “Tokony hiditra am-ponja avokoa izy telo mianaka fa tsy i Bruelle irery satria niray tsikombakomba avokoa izy rehetra”, hoy ny havan’ny maty.
Famatsiana basy ny dahalo
Ankoatra izay, hiakatra fampanoavana rahampitso ny raharaha fampanofana basy ho an’ny jiolahy any an-toerana. Voarohirohy amin’ity raharaha ity ny mpiasan’ny seranan-tsambon’i Toamasina, Razafindramanana Thierry. Voatonon’ ny jiolahy ho mpamatsy basy sy bala azy ireo izy io, raha ny tatitra voaray tamin’ny polisy any an-toerana. Manahy ny olona fa mety hanjaka ny sisi-bola amin’ity tranga ity mba tsy hampigadra ny voampanga. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha.
Sajo sy Mino
(mpianatra asa)