Mahanoro : tafihin’ny jiolahy avy any Mananjary

Velon-taraina efa hatry ny ela ny vahoaka ao Mahanoro fa mirongatra ny vaky trano mi­haro fanendahana an-dalam­be hatreny amin’ny trano fandihizana. Manao ny ataony mihitsy ny jiolahy any an-toerana ary tsy mifidy hangalarina intsony izy ireo. Noho izany, nanao izay ho afany ny polisy notarihin’ny kaomisera Tsima Angelo, na­nao ny fanaraha-maso, indrindra amin’ireo trano fandihizana ao an-toerana. Nahitam-bokany izany, andian-jiolahy nahitana vehivavy no indray voasambotra tao amina trano fandihizana iray ao Tanambao mifanila amin’ny fiantsonan’ ny taksiborosy. Voalazan’ny polisy fa teo am-panendahana olona izy ireo no nifanehatra tamin’izy ireo. Nahitana finday avolenta efatra tany amin’ izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Mbola tao amin’ny trano fandihizana rahateo ny tompon’ireo finday, raha ny fampitam-baovao hatrany. Nitohy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny polisy ka fantatra taorian’izay fa jiolahy avy any Mananjary ny telo lahy amin’ireto tratra ireto. Vehivavy iray mpivarotena monina ao Mahanoro ihany no mampiantrano ireto jiolahy ireo. Hita tao an-tranon’izy ireo avokoa ny entana halatra rehetra avy nangala­rin’izy ireo. Karazan’entana maro samihafa rahateo no hita tao an-trano tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy. Ny fanadihadian’ny polisy hatrany no nahalalana fa efa maro ny entana halatra nisy nitondra nankany Mananjary ankoatra ireo nalefa aty Antananarivo.

Sajo/Jean Claude

Partager sur: