Tsy ny tanàna ihany no niova, fa tsapa tao anatin’ny fotoana lavalava izay fa mandry sy milamindamina ny tanàna. Nahatsapana izany ny eto an-dRenivohitra, izay latsaka ny tahan’ny fandikan-dalàna miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera sy ny avy amin’ny loharanom-baovao ofisialy. Manahirana ny mitady vaovaon’ny trangam-piarahamonina ho an’ny mpanjifa.
Misy fiantraikany lehibe amin’ny fomba fisaina sy ny fomba amam-panaon’ny olon-dratsy ny fahamaroan’ny mpitandro filaminana miparitaka manerana ny tanàna. Tsy ny vahiny sy ny olo-manankaja ihany no voaaro, fa ny sarambabem-bahoaka koa. Naka aina sy natahotra ny fepetra noraisina ny jiolahy. Tena azo notsapain-tanana sy tena niainana tokoa aloha ny vokatra.
Eto indrindra no hisintomana lakolosy. Inona tokoa no vato misakana tsy ahafehezana ny asan-jiolahy sy ny fandikan-dalàna amin’ny endriny samihafa? Ilay toe-tsaina mihitsy izany no ilana fanovana na fahasahiana miova. Tsy sanatria akory biby fampitahorana ny mpitandro filaminana. Azo atao ihany ilay tsy manao ratsy rehefa misy maharesy lahatra ny tsy hanao.
Manoloana izay indrindra no hifanentanana amin’ny fomba fiaina sy fomba fisaina. Antoka iray, mahatonga ny firenena handroso ihany koa ny fifehezana ny fandriampahalemana. Tsy tokony hataon’ny olom-pirenena tsirairay ho ambanin-javatra mihitsy, araka izany, ny fitondrana ny anjara birikiny ho an’ny fampandrosoana.
Ny fametrahana filaminana dia asa an-tarika sy iarahan’ny olon-drehetra mandrafitra aza, tsy mahavita irery ny polisy, ny zandary, na ny Tafika Malagasy. Ny isan-tanàna no mahalala ny olon-dratsy ao aminy. Ny mpiara-monina no manafina na manontsana ny tontakely. Tsy afa-miala andraikitra ny isam-batan’olona fa tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny.
Ny fifanohana no mampilamina ny tany! Ahafahana miaina anaty fitonian-tsaina.
r.r




