Mba mialà sasatra!  

Efa hiditra indray izao ny mpianatra. Afaka herinandro vitsy dia raikitra ny hazakazaka arahin-tosika. Fifo­hazana maraina, fanaterana mpianatra, fitadiavana izay hohanina, sns. Mialoha izany, efa mampivadika atidoha sy mampijaly saina ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly. Volabe tsy tambo isaina no mivoaka amin’ny poketran-dramatoa na rangahy. Tena mijafajafa ny ray aman-dreny.
Manoloana izay indrindra no mba hifampizarana ity lohahevitra iray, tsy mahazatra an-dRamalagasy kanefa tena ilain’ny saina sy ny vatana amam-panahy ity. Ilay atao hoe “ Fialantsasatra” na ny “vakansy” no mahazatra. Fomba tsy mba tafiditra anatin’ny tetiandron’ny ankamaroan’ny fianakaviana kanefa tena ilaina sy tokony hatao mba tsy hilazana fa “tsy maintsy”.
Matetika ataon’ny ankamaroan’ny olona ho fialana bala ny tsy fananam-bola. Manginy fotsiny ny filazana fa tsy mba manam-potoana. Rahoviana vao ho tapitra ny asa sy ny adidy aman’andraikitra? Hadino fa mba reraka, mila fanohanana ihany koa anefa ny vatana. Mitaky fakana aina mba hahazoana angovo misimisy kokoa. Tsy kolontsaina vahiny sanatria fa tokony ho lojikan’ny fikolokoloam-batana.
Tsy haitraitra ny fialantsasatra fa adidy goavana ho an’ny vatana. Mendrika izany ny olon-dehibe sy ny ankizy. Mitaky fahafoizana ny lafiny materialy sy ara-bola koa indraindray. Tokony hijery ny maha olona marefo sy mety vizaka ny isam-batan’olona. Zava-dehibe amin’ny fitandroana ny fahasalamana rahateo ny fahatsapana hoe: hatraiza ny fetran’ny hery maha olombelona?
Mbola manana fotoana handehanana avokoa izao na ny mampiditra ny ankizy madinika, na ny olon-dehibe mpiasa. Mila miala sasatra na andro vitsy aza. Tsy voatery hanam-bolabe fa ny fialana ny toerana mahazatra sy ny fiovan-drivotra dia zava-dehibe!

r.r

Partager sur: