Naiditra am-ponja vonjimaika omaly, ilay kaomisera divizionera iray tra-tehaka nitsindrona rongony mahery vaika niaraka tamin’ny namany iray tetsy By-pass. Naharitra adim-pamataranandro maro ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny mpitsara natao famotorana « juge d’instruction » ilay kaomisera divisionera voasaringotra amin’ny fidorohana rongony mahery vaika tetsy Anosy omaly. Nandalo teo anatrehan’ny fampanoavana ny alakamisy lasa teo, niakatra tao amin’ny mpitsara mpanao famotorana indray izy io omaly io. Noho ny fidorohany zava-mahadomelina io, anisan’ny saro-pady ny vesatra hanenjehana azy ka voatery niditra lalina tamin’ny fanadihadiana ireo tomponandraikitra misahana izany. Raha atsidika, voasambotra niaraka tamin’ny olona iray ity kaomisera ity ny alatsinainy teo. Tra-tehaka niaraka tamin’ny rongony mahery vaika 30 g izy. Niampy ny fitaovana fidorohany izany. Vao ny taona vitsy lasa, voasaringotra tamin’ny raharaha fanodikodinana rongony mahery vaika tra-tehaka tao Toamasina koa ny tenany. Mbola tsy fantatra kosa ny fotoam-pitsarana azy ireo.
Tsiferana R.