Namiratra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, taranja Judo, sokajy vehivavy, latsaky ny 70 kg, Rasoanaivo Laura. Nahazo medaly volafotsy ny tenany, tamin’izany, ary notolorany ho an’ny Malagasy ny medaly azony.
Ny zava-drehetra dia azo tanterahina! Nandrombaka medaly volafotsy, tamin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena, amin’ny taranja Judo, izay natao tany Chine, ny faran’ny herinandro teo, , sokajy vehivavy, latsiky ny 70 kg, Rasoanaivo Laura. Araka ny nambarany tao anaty tambajotran-tseraserany ihany, efa nofiny hatramin’ny ela ny hahazo vokatra tsara tahaka izao.
Raha hiverenana kely ny zava-bitan’i Laura, nandritra ity lalao iraisam-pirenena ity, azo lazaina ho tsara ny vokatra, satria ireo mpilalao judokate malaza sy manana ny lanjany eo amin’ny sehatra maneran-tany avokoa ireo resiny ireo. Teo amin’ny lalao voalohany, nandresy an’ilay Koreanina Tatsimo, Yerang Lee. Nanohy ny fahombiazana azony izy, rehefa nandavo ilay Frantsay Melkia Auchecorne. Tamin’ny manasa-dalana, nandavo an’ilay sinoa, Yingying Feng. Niondrika teo anatrehan’ilay laharana voalohany maneran-tany, i Lara Cvjetko, kroaty, teo amin’ny lalao famaranana. Araka ny filazany, mahatsiaro ny fotoana fony izy mbola kely izy, nijery ny famaranana lehibe « Grands Prix »tamin’ny fahitalavitra. Tsy adino velively kosa ireo fotoan-tsarotra nolalovany, izay nitondra azy nankany amin’ny fandresena.
Nambaran’i Laura taorian’ity fifanintsanana ity fa ny mampiavaka ny fandresena azony tamin’ity dia ny toe-tsaina, ny fahatokisan-tena bebe kokoa ary ny finiavana sy ny fanoloran-tena, ary fifantohana. Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, natokany ho an’ny Malagasy rehetra ny medaly azony. “Misedra fotoan-tsarotra i Madagasikara, ankehitriny, ka manantena aho mba hitondra hazavana, fitiavana ary nofy ho azy ireo ny medaliko. » hafatr’i Laura ho an’ny Malagasy maro amin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena izao.
Fitia Randria




