Nandray ny soso-kevitry ny Pr Jonah Ratsimbazafy, namana mpiara-miasa amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fikarohana, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nifantohan’ny resaka ny ady amin’ny diplaoma hosoka, izay anisan’ny laharam-pahamehan’ny minisitera amin’ny fanamafisana ny kalitaon’ny asa sy ny mangarahara eo amin’ny rafi-pampianarana ambony.
Nahazo fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsakorana, anio, ny faritra Atsinanana, Alaotra Mangoro, Tsaratanàna. Toy izany koa Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Renivohitra, Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana, Anjozorobe, Ambatolampy Antanifotsy, Miarinarivo ary Arivonimamo.
Nampahafantarina ny mpiara-miasa ao amin’ny minisiteran’ny Asa ny sekretera jeneraly vaovao, Jaosolo Gelase. Nohamafisina ny tokony hamerenana an-tanana ny fahamendrehana sy ny fahazotoana amin’ny asa ao anatin’ny minisitera ho fampandrosoana ny tontolon’ny asa sy ny mpiasam-panjakana eto Madagasikara.




